Tsy maintsy tafita

Tsy maintsy tafita

Raha toa ianao re anaka mahatsiaro manirery
Malahelohelo toa mila hiteny irery
Satria olon-tokana any an-tany lavitra any
Toa mangasihasy, mitady hitomany
Na koa indraindray toa zary mangingina
Lasalasa saina eo ambonin’ny fandriana
Mahatsiaro ny havana sy manina ny tany
Dia aza mitanondrika fa mitrakà hatrany

Izao ihany anaka raketina an-tsaina
Misaora an’Andriamanitra fa mbola velon’aina
Miderà koa Azy noho ny amin’ny fitahiana
Fa na tsy akaiky anao aza ny fianakaviana
Ianao tsy sanatria ao anaty faharariana
Na koa milanja zioga feno fijaliana
Fa lasa any ampita hanovo fahalalàna
Hanomana hoavy mba ho feno fahatsarana

Alaivo sary an-tsaina anie hoe mba firifiry
Ireo tanora malagasy mikasa sy maniry
Hiampita ranomasina hianatra any andafy
Kanefa dia indrisy, tsy afaka fa mihafy
Koa aza kivikivy, fa mahereza foana
Ary aza dia variana fa misosa ny fotoana
Tokana ny tanjona asesika ao an-doha :
« Tsy maintsy ho tafita, hahazo vokatsoa »

Rasamy

Laisser un commentaire