Raha ny ditra no amparina
Enti-miaina eto an-tany
Ndrao re lavo tsy ho tafarina
K’antitra vao hitomany
Raha ditra no ireharehana
Mihevi-tena ho tsy azon’aloka
Ndrao simba re ny hatanorana
F’any amponja no hialokaloka
Raha ny ditra no heverina
Ho namana mba hahatafita
Ndrao re ho vesara-nenina
Holatsain’ny ratsy vita
Samy mba naditra ihany
Tamin’ny androm-pahazazana
F’izay mifikitra amin’izany
No ho ratsy fiafarana
Rasamy
Sary : nalaina tamin’ny fesiboky