Malala-tanana

Malala-tanana

Ho avy indray ny fifidianana
k’indreo malala-tanana
tampotampoka eo.
Mahay manambitamby sy mampiaka-peo
ireto olona milaza hilatsaka hofidiana.
Moa va tsy mahavariana?

Toerana maloto tsy falehany hatrizay
no indro ifanotofany tsidihina indray.
Dia raisiny ny angady
Na aza andro alahady
Dioviny ny tatatra sy ny lalan-kely
Izany ka filamatra sy olona modely
Mihosona maloto ilay olona ambony
Manetrinetry tena tsy fantatra intsony

Ny sasany hatrizay tsy hita sy tsy rototra
Tampoka eo anefa dia mahatolotolotra
Mizara mofo kely sy sakafo indray mahandro
Mahavangivangy maraina sy antoandro
Misy aza mahavita mitondra posiposy
Feno sarimihetsika manerana ny Nosy
Sady maka sary fa avoaka an-gazety
Alefa fesiboky mba halaza vetivety

Dia mihoraka tanteraka ny iray tanàna
« Iny no fidiana fa feno fahatsarana e … »
Kinanjo rehefa avy eo, nony azony ny seza
Tavany mibontsina tsy sasatra mihangeza
Ny tombotsoa ho azy no hany fitakiany
F’ilay mpifidy adinony tsy noraharahiany
Fa ny tena loza, ary tena mampanahy
Ilay Antenimiera mety ho fiheren-jiolahy

Raha to tokoa izany, dia iza moa no adala ?
Izaho moa tsy atoro, f’ianao koa mahalala

Rasamy

Laisser un commentaire