Misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola velon’aina
Mbola afaka miteny aho sady afaka misaina
Ny masoko mahita ary ny sofiko mandre
Ny tanako afa-miasa, ny tongotro mandeha
Misaotra an’Andriamanitra aho nomeny anareo namako
Misaotra Azy indrindra noho ny amin’ireto zanako
Sy noho ny ray sy reniko ary vady andefimandriko
Tsy adinoko ihany koa ireo zokiko sy zandriko
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny asa fivelomako
Ahafahako miahy isan’andro ny ankohonako
Sy niatrika ireo ady maro be izay nitolomako
Ary ireo adidy izay tsy maintsy iantsorohako
Na ho firy na ho firy re ny andro sisa iainako
Fisaorana hatrany anie no hameno ny fisainako
Mba tsy ho taraina sanatria na toloko tsisy fetra
Fa hisaotra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra
Rasamy
Sary fanaingoana: nalaina tao amin’ny fesiboky