Alefa alefa barea
Mahasahia fa lehilahy e
Atao ambony be ny saina
Sanatria ny hiferinaina
N’iza n’iza mpifanandrina
Aoka ho kinga sy hitandrina
Tsy matahotra hifandona
Alefa miaraka mirona e
Zahay hanohana hatrany
Barea foana ihany
Na favy aza i Nigeria
Zahay maka Barea
Na henjana aza i Burundi
Zahay dia mbola hankafy
I Guinée koa mety hahay
Fa barea avao no anay
Anay nareo raha toa mandresy
Tohananay koa rehefa resy
Efa niova aloha izao ny tantara
Fa mba ao koa Gasikara
Ndeha izatsy izy ry Faneva a!
Mirary soa dia mahereza e
Tsy olana ny mpanakiana
F’ianareo miraisa hina
Miray saina ny rehetra
Hanatratra tarigetra
Ka tokana ihany no jerena
Ny voninahim-pirenena
Aleo avondrona ny hery
Na mpilalao io na mpijery
Dia ambarako tsy vazivazy
F’adala izay tsy tia ny azy e
Rasamy