Fitiavan-tanindrazana

Fitiavan-tanindrazana

Ny fitiavan-tanindrazana
dia ny fananana finiavana
manohitra amin’ny heriny ny fanjakazakam-bahiny
toy izay nataon’ireo razambe fahiny.
Ka na toa aza izany mety haningotra ny aina
dia miady hatramin’ny farany tsy arahina taraina.
Manao ho zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena
Mba tena ho to tokoa ilay hoe fahaleovan-tena.

Ny fitiavan-tandrazana
dia ny fahaizana mifehy ihany koa ny Tenindrazana.
Ka na inona na inona mari-pahaizanao
Na aiza koa na aiza toeram-ponenanao
dia manandratra hatrany ny teny malagasy
fa tsy ny Tenindreny indray no avela hangasihasy.
Mitandro ireo vakoka sy harena ikambanana
Mandala hatrany koa ny tena fihavanana

Ny fitiavan-tanindrazana
dia ny fananana fitiavana
miaro sy manjifa ny vokatry ny taniny
sy milofo fatratra amin’ny asa izay sahaniny.
Tsy manodikodina ny volam-panjakana
Mahaloa hetra sy manaraka lalàna
Tsy jamban’ny vola sy ny fitiavan-tena
fa mikatsaka hatrany ny tombotsoam-pirenena.

Rasamy

Laisser un commentaire