Alefa Barea, alefa foana foana
Tohananay hatrany na ahoana na ahoana
Misandratra avo izao ny voninahim-pirenena
Satria ny Barea dia nibata fandresena
Na be ny nanatsatso sy nanambanimbany
Barea tsy taitra fa nandresy foana ihany
Tampina ny vavan’ireo zatra nanankiana
Manko hafa mihitsy ny herin’ny firaisan-kina
N’iza n’iza ekipa miseho azy ho mafy toto
Dia tsisy mafy izany ka hoe tsy laitran-joto
Na sambany izy ireo no mba mandray anjara
Dia indro fa voarakitra ao anatin’ny tantara
Inona no lesona ho antsika izay mpitazana ?
Tsy ampy ny talenta raha hitady fahombiazana
Fa mila risi-po, vonon-kiady hatramin’ny farany
Tsisy teraka ho resy, fa samy mbola hioty ny valin-kasasarany
Rasamy