Maratra ery ny fo raha ilaozan’ny havan-tiana
Lasa nodimandry any amin’ny varo-tsy mifody
Na aza anefa izany aoka hanaiky am-pitoniana
Manko izy lasa aloha f’ianao koa mbola hody
Tsarovy fa tsy misy haharitra ho mandrakizay
Fa fandalovana ihany ny fiainana eto an-tany
Tsy maintsy mbola antsoina hody any amin-dRay
Ary any tsy hisy intsony ny jaly sy tomany
Aoka ianao hahery sy hahay hampionon-tena
Na mafy sy mangidy ny donam-pahoriana
Ny Tompo tsy hampizaka ny mafy tsy hay resena
Fa aoka hisaotra Azy anaty vavaka mangina
Misaora an’Andriamanitra amin’izay efa nomeny
Indrindra noho ny amin’ilay havanao nantsoiny
Ho fahatsiarovana azy dia tanisao ombieny
Ny asa tsara ombam-pitiavana tena nimasoany
Rasamy