Gasy tia milahatra

Gasy tia milahatra

Isika malagasy dia efa tena maritiora
Aiza ve ka dia milahatra mandoa fakitiora
N’aiza n’aiza dia milahatra fa tsisy afa-miala
Na biraom-panjakana na banky hakana drala

Vao tonga ny maraina hamonjy ny fianarana
Ny bus aloha voalohany tsy maintsy ilaharana
Mainka koa io loza rehefa himpody an-trano
Avy eo mbola ilaharana ny fatsakana rano

Efa impiry impiry koa moa ny vahoaka
Tsy nampihemotra  azy ny basy izay nipoaka
Tia mitanjozotra manao filaharam-be
Avy eo mitalapetraka eny amin’ny 13 mai

Filaharana ihany koa ny miditra am-piangonana
Hatramin’ny sakafo anaty trano filanonana
Filaharana tsy miato n’aiza n’aiza no aleha
Ilaharana ihany koa hatrany an-gabone

Rasamy

Sary: Yreham R.

Laisser un commentaire