Vahoaka efa leo

Vahoaka efa leo

Tsy te hifidy intsony ny vahoaka maro an’isa
fa dia mitazatazana sy mijery sisa.
Mantsy leo sy tofoka
fa tsy afaka mikofoka
noho ny fangalarana sy ny fikafika
fanaon’ireo milaza ho mpanao politika.
Zary fitaka sy lainga ny zavatra ambarany
Kobaka am-bava sy abobo tsisy farany
Mahay mampanantena sy mandangolango
Nefa vonona hangalatra hanao rapadango
ny harem-pirenena sy volam-panjakana
Feno fitiavan-tena sy fanamparam-pahefana

Matimaty foana ireo mahery fo fahiny
Raha mahita ny adalan’ireo mpitondra ankehitriny
Miadana sy sambatra tsy misy mahaory
Nefa ny vahoakany tsy mahatràka akory
Reraka tanteraka miharitra mangidy
Tsy vahaolana aminy intsony ilay hifidy
Satria dia nofinofy izay mba fiovana
Matetika loatra ny fahadisoam-panantenana
Ny hany sisa ataony dia miatrika ny fiainana
Na ny fitsarana aza tsy azony itarainana
Raha sendra mba mitory satria tsy te hikombona
Dia azo raisina hono fa tena tsy mitombona

Raha mpanao politika mantsy no andrasany
Dia misokatra ho azy ny varavaram-pasany
Tsy ireo intsony no mbola andrandrainy
Koa aleony tsy mifidy fa mampionona ny sainy

Rasamy

Sary fanaingoana : nindramina teo amin’ny fesiboky

Laisser un commentaire