Mampalahelo loatra izato zava-misy
Mahalasa saina mihitsy re indrisy
F’ireto mpanabe mampianatra ny ankizy
No toa mihafihafy, sahirana izay tsy izy
Toa zary ambaniana sy atao tsinontsinona
Inona no antony? Nahoana? Fa maninona?
Karama efa kely no mba raisiny isam-bolana
Ny fitaovana ampiasainy mbola tena olana
Ny mpitondra mihitsy no toa lohalaharana
Tsy manisy lanjany ny asa fampianarana
Ny mpanabe mantsy no latsaka ambany
Na dia samy mpiasam-panjakana ihany
Rahoviana vao handroso i Madagasikara
Raha ny mpanabe no atao ratsy karakara
Tsy omena fanajana sy vola mba sahaza
Kanefa miankina aminy ny hoavin’ireo zaza
Rasamy