Endrey izato ankaniko
Tiako sady mamiko
Vokatry ny herim-poko ary koa ny fisasarako
Ao ny ahy no misy ny tena fahasambarako.
Ka na tsara sady raitra
mahasarika manaitra
ireo trano be mijoalajoala
sy efa maro mpahalala
hitako any am-pandehanana any
Ny ahy ny tranoko hafa ihany
Tena tiako sy lalaiko
Io no lova mba avelako ho an’ireto sombinaiko.
Io no trano fihibohako raha sendra misy aretina
Ny anatiny ezahina ho madio tsy misy pentina
Ety ivelany indray, endrey izato zaridaina
Tsotra nefa mahafinaritra sady mampilamin-tsaina
Isan’andro aho vao mifoha dia miandrandra indray ny lanitra
Mifoka rivotra madio dia misaotra an’Andriamanitra
Rasamy