Raha ny tononkalo fandrentsika ombieny
Matetika milaza mamerina miteny
Fa hafa foana i Dada, tsy misy toa azy
Ilay dada miran’endrika sy tia mivazivazy
Nefa ihany koa masiaka be ronono
I Dada ilay mitondra ny zanany hanjono
I Dada miasa be, manao vy very ny ainy
Miahy isan’andro ireto sombinainy
Miaraka mizara ny mamy sy mangidy
Izay Dada izay, ilay tsy miamboho adidy
Misy koa anefa, aza adino f’any ho any
Dada tsy manao hafa-tsy mampitomany
Mampijaly vady sy mamono koa ny zanany
Mandripaka hatramin’ny harena sy fananany
Tsy mahalala akory ny haja sy ny toerany
Toa tsy mba misaina hafa-tsy ny tenany
Tsy laitra mba hanarina fa higagam-bahoaka
Dada adaladala tsy maharesy toaka
Isan’andro izao dia tsy mody raha tsy mamo
Sady maro vady any an’elakelan-trano
Ka ilay dadanao, mba zovy loatra moa?
Enga anie hoy aho mba tsy izato faharoa
Nefa atao ahoana fa raha sanatria adala
Dia mivavaha ho azy fa aza mankahala
Rasamy