Misy antony

Misy antony

Misy antony matoa mbola velona sy miaina
Nomena vatana sy hery ary koa fanahy sy saina
Matoa mahazo  tombon’andro ijanonana eto an-tany
Dia tsy tonga hoazy akory izany rehetraretra izany

Misy antony avokoa izay mitranga amin’ny fiainana
Na ny hiakam-pifaliana na ny sentom-pitarainana
Ts’isy koa kisendrasendra fa samy manana ny anjarany
Fandalovana ny eto ka tsy maintsy misy farany

Koa isan’andro dia manàna re antom-pahavelomana
Ho an’ny tena, tanindrazana na ho an’ny ankohonana
Tsy ho velombelom-poana ts’isy tanjona tratrarina
Fa miasa arahina finoana sady tia manao ny marina

Rasamy

Laisser un commentaire