Moa va re voafehy ity aretina ity?
Misy mantsy olona mieboebo ery
Milaza ombieny ombieny fa tena mahavita
Resintsika lavitra aza hono ny any ampita
Volabe koa hono no azo avy any andafy
Kanefa ny mpitsabo toa zary mihafihafy
Tsy ampy ny fitaovana sy ny fanafody
Ny olona marary aza mangasihasy mody
Mahay mandahan-teny tsisy fitsaharana
Ny fahantrana anefa efa ho isam-baravarana
Be ireo te hitroatra kanefa mihorohoro
Matahotra higadra dia tsy mahasahy mijoro
Ny fiainam-bahoaka tsisy mba mangirana
Orinasa firy no mikatona sahirana
Tokantrano maro no donam-pahoriana
Namoy ny sakaizany sy ny havan-tiana
Rasamy