Indrisy, mahalasa saina
sy mankarary ny aina
ny mahita ireo vahoaka izay nampahantraina.
Hany ka badoiny fa mora ambakaina
Tsy hitany intsony izay lalana haleha
Foana ny hambom-pony sy izay mety ho rehareha
Manaiky izay ataon’ny mpanao politika
Miaraka mirona toy ny ondry miara-mita
Antsoiny mba hitehaka sy hihoby azy
dia iny fa manaraka toy ny hoe voasazy.
Tambazany vola sy zava-mora lany
dia lasa mihazakazaka miaraka mankany.
Mafy tena mafy izany hoe mahantra
ka indro fa heveriny ho tsara fo sy mihantra
ireo mpanambaka sy mpilalao vahoaka
dia manatona azy satria tsy tafavoaka.
Hafatra ho anao nahavita fianarana
Ampianaro ny hafa tsy ho tohatra fiakarana
Hanana hambom-po, sy hampiasa saina
Ka na mahantra aza tsy ho mora ambakaina
Rasamy
(Sary indrana)