Misy ny lolo izay fahitantsika
Tena tsara endrika sady manam-bika
Saingy mahavariana sy mahavalalanina
Maloto no tiany lalaovina sy hohanina
Angamba toa izany, misy olona any ho any
Ny fisehoana ivelany dia tsisy toy izany
Kanefa ny ao anatiny fisainana maloto
Toy ny hoe anjely kanefa jiolahim-boto
Rasamy