Solon-trano bongo

Solon-trano bongo

Trano kely tsotra sady tsy mba lafo vidy
Kanefa any an-tanàna ka tena sarobidy
Tsy amidy tsy atakalo na ampitso na anio
Trano famantanana haka rivotra madio

Solon-trano bongon’i Nenibe fahiny
Avela holovain’ireo zaza ankehitriny
Porofom-pitiavana miampy ny finiavana
Fa tena tsy adino ny any an-tanindrazana

Izao no hafatrafatra ry zanaka amam-para
Raha toa ianao tafita ka afa-miaina tsara
Ampio ireo nipoirana sy ny tanindrazana
Fa mainka mampitombo ny anjara fahasoavana

Rasamy

Laisser un commentaire