Mahantra ny vahoaka
Tsy mety tafavoaka
anatin’ny krizy sy fahantrana lalina
Toa mihamilentika andro aman’alina
Mba miezaka ihany
fa tsy mandany andro misento sy tomany
Miasa sy mitozo
Na dia efa vizana sy mangozohozo
Ny hanina ampitso mantsy tsisy mba mangirana
Ny hatokona anio aza mbola manahirana
Ny aina efa reraka, ny adidy koa miavosa
Dia iny mihazakazaka mba hibaby trosa
Faly fa omeny karama iray volana
Mantsy izay no heveriny ho famahana olana
Zara aza misy vola afaka alaina
Dia manaiky mora fa tsy te hiasa saina
Toy ny akohokely tsipazam-potsimbary
Tsy menatra intsony fa mbola maka sary
Dia moa ve ho tafarina?
Aza hitako hono marina
ka mainka koa sahirana
satria dia trosa indray izany izao no nidirana
Vola mbola hefaina fa tsy maimaim-poana
Enga anie ka ho tafarina fa tsy bokan-trosa foana
Rasamy
(Sary indrana)