Reraka

Reraka

Indraindray aho mahatsiaro vizana sy reraka 
Kelikely aina torovana tanteraka
Hany tiako atao dia mandry am-pandriana
Hianoka fotsiny anaty fatoriana

Tsy sanatria marary na koa hakamoana
Fa vizan’ireo zava-marobe izay manoloana
Mila miala sasatra, mila maka aina
Anaty zava-boary mampilamin-tsaina

Avela izay tsy vita fa ampitso indray miarina 
Anio aloha hatory ny saina koa amboarina
Ny asa tsy ho tapitra ny hatrehana tsy mora
Aleo ihany mitandrina ndrao maty tanora

Rasamy

Laisser un commentaire