Kere indray ny any Atsimo
Toa sanatria adino
fa efa ho isan-taona
dia toy izany foana
Tsisy vahaolana tena mba maharitra
Kere miverimberina anatin’ilay Faritra
Mitaraina ny vahoaka
Tsisy vary tsisy laoka
Ritra koa ny rano
Ny masony sisa no manganohano
Raketa no mba haniny
Fa io no mba hany vokatry ny taniny
Tsisy azo raisina ny vokam-pambolena
Tsisy koa ny vola hahafahana miantsena
Tsisy ny ambim-bava, foana ny tahiry
Fahoriana lalina sy mangirifiry
Mijaly mitomany
Tena farahidiny raha samy eto an-tany
Mianjady ny hanohanana
fa tsisy ny eo an-tanana
Ny zaza tsy ampy taona
moa indreo minaonaona
Mangidy ny mahazo fa tsy hita izay atao
Taolana no sisa fa ny nofo toa nandao
Tsy mahazaka tena, tsy mahateny intsony
Vonjeo re fa mijaly ry Rainay ao ambony
Rasamy
(Sary indrana)