Tsy hitsahatra aho hanoratra
Tsy hangina aho fa hiteny
Ho raketiko an-tsoratra
Ireny rehetraretra ireny
Na fahoriana izay mandalo
Na fifaliana tsisy fetra
Na ny sedra mampimalo
Na fitiavana mitoetra
Na ny zavatra hita maso
Mitondra tsikitsiky sy hehy
Na ny sompatra sy ankaso
Mampanjombona tarehy
Na ny ziogam-pahantrana
Izay lanjain’ny vahoaka
Na hetahetam-piovana
Dia dradraina mba hivoaka
Raha avy ny andro hahafatesako
Handry ambany rangolahy
Ny redirediko no apetrako
Mba ho fahatsiarovana ahy
Mantsy inoako f’any aoriana
Na maty aza aho ka tsy hifoha
Dia mbola hitondra fitsikiana
Ireo redirediko taloha
Rasamy