Taloha zahay rankizy rehefa milalao
Tena hafa mihitsy tsy toy ny amin’izao
Niaraka daholo ny ankizy iray tanàna
Mafana dia mafana aok’izany ny korana
Faly ny rehetra tsisy nihambahamba
Miaraka manao ilay raosy jamba
Tao koa ny vitsilia sy fanaovana zoera
Kilalao tsy adino ny polisy sy volera
Ny baolina amin’izany teny an-tanimbary
Tsisy ny finday mba hoe nakana sary
Tsy nisy tranokala, tsy nisy fesiboky
Miara-mihosom-bovoka ny zandry sy ny zoky
Lalao nalaza indrindra ny kasikasy kapoaka
Ny daomy sy loto dia kilalaom-bahoaka
Ny kalesa sy fanenjika nameno tokontany
Manembona no sisa fa he fahiny izany
Tsy adino ireo tsikonona sy kivadivady
Natetika ihany koa no nisy adiady
Fa vetivety foana dia miombona indray
Toy izany re rankizy tamin’ny andronay
Rasamy