Tsy mahagaga intsony ny mpanao politika
Mahay raha hikabary fa ts’hita ‘zay mba vita
Mampanantena foana no hany seraserany
Izany no heveriny hifikirany amin’ny toerany
Tetikasa maro no ambarany hatao
Tsy miova ny kabary fa isan’andro izao
Dia maro ny asa goavana lazainy hovitaina
Fa firy re no vita tamin’ireo izay nokasaina?
Nofinofy maro no lazainy hotanterahina
Ny vahoaka heveriny ho jamba sady pahina
Ny zava-misy mantsy dia hita miharihary
Tsy tambo isaina intsony ny zava-tsy manjary
Manko efa maro ireo nampanantenaina
Fa fahantrana no hita mihatra aman’aina
Propagandy foana no heno lavareny
Nefa dia poakaty ny ankamaroan’ireny
Rasamy
(sary indrana)