Antoko mpihira

Antoko mpihira

Mampatsiaro ahy ny hiranay fahiny
Ny maheno ny hiran’ny tanora ankehitriny
Tsy hira hafa akory fa hira fiderana
Anisan’ny nameno ny fahatanorana
Hirahiram-bavaka misy Solfa
Mandeha ny DO RE MI, miampy FA SO LA
Hiram-pivavahana tsara sady kanto
Anaty feo maredona sy milantolanto

Endrey izany hafaliana rehefa alahady
Tsy mandany andro variana mibalady 
Fa mifoha maraina mamonjy fivavahana 
Mitohy ny hariva indray avy eo ny fiarahana
Mamonjy fivoriana sy fianaran-kira
Izany no fiainana anaty Antoko Mpihira
Ny hira izay malaza nianarana avokoa
Sady nahavita namorona ihany koa

Mafana fo ery tamin’ny Antsam-panahy
Feno fifaliana na ny vavy na ny lahy  
Misy feo voalohany, dia misy faharoa
Misy fahatelo sy fahaefatra ihany koa 
Indraindray ny feo somary atao miritsoka
Arahin’ny angolan’ny vata maro afitsoka
Avy eo asandratra avo hanakatra ny lanitra
Tsara ery ilay hira midera an’Andriamanitra

Rasamy

Laisser un commentaire