Ny vady anie

Ny vady anie

Ny vady anie ry zandry
tsy fampiasa herin-tsandry
ka vonoina sy ratraina
fa henoina sy hajaina 

Ny vady anie ry zoky
ka olona mahatoky
sy azo ianteherana
ary manam-pandeferana

Ny vady anie ry namana
tsy harena sy fananana 
na olona mandalo 
ka soloina sy atakalo 

Ny vady anie ry havana
tolorana fitiavana 
sy voady avy ao anaty
f’io no vady mandra-maty

Rasamy

Laisser un commentaire