Izay tia adala

Izay tia adala

Tia azy ianao matoa midobodoboka ny fo
Izay mombamomba azy toa tsara avokoa
Tsisy hitanao akory izay mety fahalemeny
Toa satrinao hatrany hiaraka aminy eny

Tia azy ianao matoa na misy aza olon-kafa
Manantona anao mba hiaraka hitafa
Miezaka mambabo ny fonao ihany koa 
Dia izy foana ihany no mibahana an-doha 

Tia azy ianao matoa mora lasalasa saina
Tsy andrinao mihitsy ny fiavin’ny maraina
Hahita azy indray, hanoroka ny molony
Tianao ho ianao irery no lasa manontolony 

Indraindray anefa ilay fitia tsy mifamaly
Ianao ilay tena tia no lasa olona mijaly 
Tsy mahay tsy tiana fa misisika tsy miala 
Indrisy atao ahoana f’izay tia tokoa adala

Rasamy

Laisser un commentaire