Misy fetra

Misy fetra

Misy fetra lahy izany fahefana izany
Ny vola aman-karena koa tsarovy mety lany
Tsy hisy ny doria fa mandalo fotsiny ihany 
Izay ny lalàm-piainana raha mbola eto an-tany

Koa ny fizahozahoana sy fireharehana
Jadona sy herisetra, fanamparam-pahefana
Mba asio fetrany ihany sao dia lasa hadalana 
Hanenenana any aoriana ka ho ratsy fiafarana

Firifiry moa ireo nihevi-tena ho nanan-kery
Nanampatra ny heriny ka nanao fohy fijery
Tsy toy inona akory dia nidaboka voatery
Rifatra nandositra nitsoaka sy nihery

Rasamy

Laisser un commentaire