Mararirary ny aiko
Vizana ny saiko
Mahita ny manjo izato fireneko
Zary mahakivy mihitsy izay jereko
Aiza ve rey olona ka tsisy fihatsarana
Mainka mihalalina aza moa ny fahantrana
Mafy koa raha mafy no mahazo ny vahoaka
Maro tena maro no maniry te hitsoaka
Handositra any andafy handao ity taniny
Tsy hitany intsony izay tsirony sy maminy
Mahagaga loatra
fa tena tafahoatra
ny zavatra iainana eto Madagasikara
Manko miharatsy fa tsy mba mihatsara
Ny mpitondra moa tsy menantra etsy andaniny
Tena migalabona mihinana izay laniny
Ny vahoaka kosa vizana etsy ankilany
Tsy hitany intsony izay mba ifikirany
Mitohy ihany koa ny endrim-pajanahana
Mbola lavitr’ezaka ny tena fahafahana
Tsy ny harena indrisy
no kely na tsy misy
f’ireto olombitsy no hany mba mitavana
Manao ampihimamba tsy mahalala havana
Maneho isan’andro ny fitiavan-tena
Manohy ny fanaony mambotry firenena
Hany ka na mbola tsisy teto ny ady an-trano
dia toy ny firenena tratry ny fahirano
Maizina ny ho avy tsisy mba mangirana
Ny isan-tokantrano mihitsy no sahirana
Rasamy