Tolory tanana

Tolory tanana

Mandalo sy miserana ny fiainana an-tany
Raha mateza indrindra dia sivifolo ihany
Vitsy anefa indrisy no mahatratra izany
Ny gasy maro an’isa tsy tonga lavitra any

Manko be ny aretina tsy fanta-piaviana
Tokantrano maro miaina anaty fihafiana
Mitebiteby lava sy feno fanahiana 
Ny fiainam-pirenena koa tsisy fitoniana

Misy aza moa ireo te hanapitra ny ainy 
Tsy tantiny intsony ny vesatra zakainy
Tolory tanana izy mba hisinda ny adin-tsainy 
Omeo fampaherezana  f’izany no ilainy

Rasamy

Laisser un commentaire