Hafa ihany

Hafa ihany

Hafa ihany anaka ny manam-pahalalàna
F’any aoriana any raha mitondra fanjakana 
Tsy mpanao barofo fa olona misaina
Mahay mandanjalanja ny zavatra lazaina 

Hafa foana ny olona avaram-pianarana
Tia mikarokaroka tsy misy fitsaharana
Ny olona nianatra dia sarotra badoina 
Mahay mamakafaka sy liam-pandrosoana

Ny fahaizana anaka dia sarobidy ilaina
Entina hanatratra ny tanjona kasaina 
Ny diplaoma kosa taratasy fotsiny ihany 
Mariky ny ezaka sy ny herim-po izay lany

Ny fianarana anaka no lova ambony indrindra 
Hanananao hoavy tsara sy mirindra
Ka na betsaka na kely ny vola aman-karena 
Hafa ny olo-nianatra sy misy fahendrena 

Rasamy 

Laisser un commentaire