Izaho mino an’Andriamanitra
Nanao ny tany sy ny lanitra
Izaho mino ny fisiany
Mino koa fa tena tiany
Izaho midera ny anarany
Ekeko koa izay fandaharany
Eny Izy no tompoiko
Izay mihitsy ilay finoako
Izaho mino Ilay Nahary
Namorona ny zava-boary
Satria raha tsisy ny mpamorona
Moa misy zavatra miforona?
Rasamy