Mafy tena mafy ny manjo ny vahoaka
Tsy horohoron-tany tsy basy koa mipoaka
Nefa tena maro no lavo sy mijaly
Hipoka avokoa izao ny hopitaly
Aretina mandoza mandripaka aok’izany
Na kely na lehibe tsy misy hamelany
Tokantrano maro no donam-pahoriana
Maloka tanteraka namoy havan-tiana
Mainka vaky fo sy mitombo ny tomany
Satria tsy ankiandry fa ny androtr’iny ihany
Dia tsy maintsy alevina tsisy fanotronana
Na ny razana aza tsy miditra am-piangonana
Maro izao no sempotra miady aman’aina
Ny mpitondra koa moa tsy azo antenaina
Ny ataony sy ambarany aza zary nifanipaka
Tsy voafehy intsony ‘lay corona mandripaka
Rasamy