Ambony moraly

Ambony moraly

Marary ve ianao? 
Sa kivy tsotra izao? 
Sa vizana tanteraka ? 
Sa kivy sady reraka? 
Vokatry ny aretina sy fanaintainana? 
Sa noho ny tsy fisiana sy ny adim-piainana ? 

Mitonia aloa dia amboary ny fisainana
Tsy akory vahaolana izato fitarainana 
Ny tebiteby mantsy tsy mitondra fitoniana 
Ny fanafody tsara dia mivavaka mangina 
Maka saina kely dia mandinika ny atao 
Tsarovy f’any misy mijaly noho ianao 

Ny saina kivikivy sy ny vatana torovana 
No mainka mampihena ny hery fiarovana 
Koa n’inona aretina sy sedra mampijaly 
Atanjaho ny saina dia atao izay mampifaly 
Manàna koa finoana fa ny vavakao hivaly
Manjary resy an’ady raha ambany ny moraly 

Rasamy

Laisser un commentaire