Namela mamy

Namela mamy

Eny lavo ny andrarezina, tena tohina ny fo
Ilay andry niankinana, sady zoky lahimatoa
Ilay vady tena tia, tsy nahafoy ireto zanany 
Ilay fihatahatan-dreny, tia mizara ny eny an-tanany

Lehilahy fohifofy sy somary botabota
Olon-tsotra be fitiavana lavitry ny sotasota
Lehilahy tia nanampy sy nanavotra ny havany
Tsikitsiky lalandava no fahita amin’ny tavany

Tena tia mivazivazy sady tia mivazovazo
Mpampitraka ihany koa n’inona n’inona mahazo
Tsy mba olona tia tena fa sakaiza tia ny hafa 
Sady tsy mba olo-miavona, fa dia tia mifanatsafa 

Na kamboty mbola kely satria moa nilaozan-dray
Dia niezaka nitraka, niady mafy hatramin’izay
Hany ka tsy mahagaga, nampiaiky ny iray tanàna 
Fa tena olona nahomby tamin’ny asa fandraharahana

Ireo zavatra natsangany sy ny toetra izay nananany
Dia lova tsara indrindra ho anareo vady aman-janany 
Maty izy fa namela mamy ho an’ny fianakaviany 
Sy olon-kafa marobe novonjeny sy nampiany

Isika moa olombelona ka nateraka alahatra
Fa ny Ray Ambony kosa no manendry sy mandahatra
Koa aoka isika hahay hanaiky sy hampionona ny fo
F’efa mandry am-piadanana  i José Ramiandrasoa

Rasamy

PS: Tononkalo ho fahatsiarovana an’i José Ramiandrasoa, namana sady havana

Laisser un commentaire