Toneo ny foko

Toneo ny foko

Ray ô, omeo fo tony aho raha toa ka sitrakao 
Mba tsy  hankahala noho izao zava-misy izao
Torovana ihany manko ny saina amam-panahy
Mahita ny mahazo ireo manodidina ahy

Fianakaviana firy no misedra fahoriana 
Tokantrano maro no mizaka fijaliana 
Latsaka an-davaka ihany koa ny firenena 
Misy ny mpitondra anefa mampanongo tena

Tsy tahotra tsy henatra fa manampahefana
No miteniteny foana ary tena higagana
Manao tsinontsinona ny fahoriam-bahoaka
Miteraka hatezerana ao am-po tsy miloaka 

Mila fitoniana izao ny foko sy ny saiko
Ampio aho hahafehy izay zavatra lazaiko
Ampianaro hanaiky izay tsy azoko ovaina
Dia hahay hisaotra fa mbola velon’aina

Rasamy

Laisser un commentaire