Tsy ny bika aman’endrika
no ilaina, tsy haharendrika
fiarahan’olon-droa
Fa ny fitia avy ao am-po
Tsy ny vola aman-karena
na fitiavana terena
mihitsy no hahasambatra
Fa fo roa izay te hitambatra
Tsy ny resam-pirazanana
na ny resaka fananana
no tokony hampiray
Fa fo roa izay te ho iray
Tsy ho zary fihafiana
akory ny fanambadiana
raha samy tena tia
ny fo roa izay mifangia
Rasamy