Kivikivy angamba ianao fa tena mafy ny manjo
Tsy hita intsony izay atao ka mitady hamoy fo
Isan’andro vaky izao dia toa mandalo fisedrana
Mandreraka sy mankalao ny olana tsy hay vahana
Izay rehetra mba atao toa tsy hahitana fahombiazana
Efa niantso an’Andriamanitra, efa niantso koa ny razana
Nefa tsisy mba mangirana mainka matroka sy maizina
Manontany tena hoe nahoana loatra ary aho no faizina
Vao mainka moa marary fo mahita ny hafa toa ambinina
Toy ny tsisy mahaory na lohataona na ririnina
Toy ny tsy mba manan’olana fa dia sambatra sy miadana
Toa niangaran’Andriamanitra ary notahin’ny razana
Diso mihitsy anefa ianao mieritreritra an’izany
Manana olana avokoa raha mbola velona eto an-tany
Fa maro no mizaka ny azy ao am-pony ao mangina
N’inona n’inona mianjady dia mampiseho fifaliana
Tsy hoe akory falifaly dia tsisy olana sedraina
Fa safidy mihitsy ny azy manatanjaka ny saina
Hainy fa tsy vahaolana ny sentosento sy taraina
Tsy sasatra izy manantena fa hisava io ny maraina
Rasamy