Lehilahy tena matotra sady tena tso-piaina
Ikoizana tanteraka amin’ny lafiny ara-tsaina
Tena nanana ati-doha tamin’ny asa nosahanina
Nampiaky ny rehetra fa nahay sy matihanina
Ilay zoky be fitia izay nanampy ireto zandriny
Tafita noho ny herim-pony ary koa ny herin-tsandriny
Lehilahy fatra-panaja ny etika nijoroany
Ilay mpanompo mahasoa an’Andriamanitra ninoany
Ilay raim-pianakaviana tia nampianatra ny zanany
Lehilahy nanetry tena n’inona n’inona fananany
Ilay zoky tsy nahafoy, mpitsinjo ny mpiray tanàna
Nampiavaka azy ihany koa ny fanajana ny lalàna
Indro koa ianao nandao tampotampoka tsy tana
Tena tsapa ho mafy loatra mihitsy izato fahabangana
Na ho an’ny fianakaviana na ny Banky Foibe
Misaotra noho ireo vitanao re ry Zoky Joé
Rasamy