Misy mpisolelaka tsy hiova izany mihitsy
Na lalana mibiloka lazainy fa mahitsy
Na efa maintimainty lazainy ho fotsifotsy
Na ny lambamena lazainy ho bodofotsy
Toy ny tsy mahalala menatra intsony
Fa dia misolelaka amin’ny olona tompoiny
Ny fahazoana seza no masaka an-tsainy
Solelaka no tetika mba hitany sy hainy
Ny olona mahantra marobe eto amy taniny
Ny sasany aza hoditra kiraro sisa no haniny
Dia ny mpisolelaka mahita etsy andaniny
Fa hain’ny mpitondra ny asa izay sahaniny
Rasamy
Solelaka : Tambitamby sy kolikoly atao mba hahafaly lehibe na dia tsy mendrika aza