Ny alikako rey olona
dia tia mitolotolona
sy misangisangy.
Tia manaikitraikitra
sy mampiseho vangy
izay ngeza sy maranitra.
Nefa mahafinaritra
fa namana azo antoka.
Tsy mahafaty antoka
ny mitaiza azy.
Indraindray treromina somary omena sazy
Matetika kosa omena safosafo
Tsy ampandeferina amy resaka sakafo
Izy no manampy raha sendra fahavalo,
mananika tanàna
Rambosany ataony mandositra tsy tana
Omena tambitamby sy iaraha-milalao
Tiako ny alikako, tiako tsotr’izao
Rasamy