Ianao ilay mpiteny fa izaho tsy mahavita
Manabatibaty mihevitra ahy tsy ho tafita
Manambanimbany sy manenjika aoriana
Sady tsy manampy fa zatra manakiana
Soa fa eo ianao manainga ny hambom-poko
Ny toetranao io mihitsy no mainka hijoroako
Na ny eso na ny latsa na ny henjika tsy ahoako
Tsy hampihemotra ahy amin’ny ezaka ataoko
Ny tanjona apetrako tsy maintsy ho tratrariko
Ny saiko no atanjahiko, ny foko koa amboariko
Mbola ho tonga ny andro hahitako fahombiazana
Ianao iny indray no ho menatra hitazana
Rasamy