Tokana ianao

Tokana ianao

Tokana ianao, izay no ataovy an-tsaina
Tsy misy toa anao ny zava-manan’aina
Ianao dia nohariana ho tokana aman-tany
Fa tsisy itovizana amin’olon-kafa izany

Koa aza dia variana amin’ny fampitahàna
« Ranona tafita, f’izaho ity mihanahana
Izy toa mahay, f’izaho tsy mba toa azy »
Aza miteny izany fa mainka ianao voasazy

Voasazin’Andriamanitra satria manome tsiny
Tsy hainao izay kileman’iny olona iny
Aza mitsiriritra fa ny tenanao koa tiavo 
Io fitsiriritana io mihitsy no mandavo

Manàna hambom-po f’ianao koa dia mahay
Esory ilay fisainana miiba hatramin’izay 
Ny olona rehetra samy manana ny anjarany 
Koa aza manambany tena tsisy farany

Rasamy

Laisser un commentaire