Mama saosy

Mama saosy

Misy etsy andaniny tovolahy bogosy 
Saingy dia indrisy fa foana izato paosy 
Dia iny fa mikaroka lalana ivoahana
Mitady ramatoa manam-bola iarahana

Dia misy ramatoa ihany koa etsy ankilany 
Mila tovolahy, tiany mba ho silany
Lehilahy tanora, bogosy sy matanjaka 
Tiany tena tiany ny mijery azy mitanjaka

Dia mifanojo teo ny ankilany sy andaniny
Ilay tovolahy moa mihinana izay laniny
Ravehivavy kosa zary miramiran-tava
Tsy manaiky ho antitra, tanora lalandava

Tsy hitako izay olana rehefa izay ny reviny
Io samy manana ny fombany sy ny heviny 
Ny fiainako no ataoko milamina sy tsara
Izaho no tsy mila mama saosy sy kogara 

Rasamy

Laisser un commentaire