Hira sy mozika

Hira sy mozika

Mozika sy hira ry  havako 
no mampitraka izato tavako
rehefa tojo fahoriana 
na anaty fahakiviana
Mozika miadana sy kanto,
feo miangola sy milanto
no manainga ny fanahy,
sady mampitony ahy

Hira sy mozika koa
efa hatramin’ny taloha 
no hanehoako ny hafaliako
raha tojo izay mba faniriako 
Hirahiran’ny fitiavana 
Hirahiram-pahasoavana
Mozika sy hira fiderana
Nameno ny hatanorana 

Raha mbola velona ny aiko 
dia mbola ho sakafon-tsaiko 
sady fifaliam-poko
ny mozika izay henoiko
Manentana ny ato anaty
Eny tiako mandra-maty
fa namana mahatafita
ny hirahira sy mozika

Rasamy

Laisser un commentaire