Mamakia boky
fa io no azo antoka sy namana mahatoky
mba hahafahanao mivoatra,
raha toa ianao ka te hihoatra
noho izay vitanao anio.
Izao koa no tadidio
Ny olona izay liana
sy mahita fifaliana
amin’ny famakiana
dia tsy ho varimbariana
amin’ny zava-tsy mahasoa.
Fa mibahana ao an-doha
ny hanana hoavy tsara
Manampy fotsiny ihany ny vintana sy anjara
Satria ny ao an-tsaina dia tia mikarokaroka
Vonona hihatrika ihany koa ny zava-tsarotra
Ny famakiana boky dia mitondra hasambarana
Manala ihany koa ny hakamoana sy hasasarana
Ny boky dia namana manala sorisory
Ny famakiana boky koa dia mampahita tory
Rasamy