Zaza esorina

Zaza esorina

Neny ô, izaho moa izany izao
tsy aiza f’ato an-kibonao
Vokatry ny sitrapo
Sy fitiavanareo roa
Nefa gaga aho ry Neny
Izaho moa tsy afaka miteny
Tsy mba tanana handrangotra
Tsy afaka ny hisarangotra
Tsy mba tongotra hitsipaka
fa manaiky ho aripaka

Ny hany sisa ho lazaiko
alohan’ny hahataperan’ny aiko
dia lazao re ilay raiko
mba tsy ny filàny no mibaiko
fa hahay hitandrina amin’ny sisa  
satria dia zaza tsy hita isa
no hodiana tsy henoina
fa tao an)kibo dia vonoina 
Tsy nomena izay anjarany 
Tsisy akory aza ny anarany 

Neny ô, iriko foana anefa ianao 
Ho sambatra tsy hitalaho 
Ka raha hitady zaza any aoriana 
dia tena hahazo izay irina
fa tsy sanatria akory
tsy hahazo zaza intsony 
hanenina sy hitomany 
sanatria hoy aho izany
Veloma ianao ry Neny tiako
Vita hatreo koa ny fisiako

Rasamy 

Laisser un commentaire