Mijoroa sahia! 

Mijoroa sahia! 

Anaka, manàna fahasahiana,
f’aza ny hakiviana
no atao mialoha lalana, 
raha sendra sakantsakana 
eny an-dalana ombàna. 
Manàna koa finoana sy fanantenana, 
fa na mafy toy ny inona ny zava-manoloana, 
dia ny vahaolana tsy maintsy misy foana. 

Na misesisesy tsisy farany aza ny olana
Tsy vita indray andro fa mety amam-bolana
Mety koa maharitra aman-taonany aza. 
Dia tsarovy hatrany fa ny olona malaza
nahita fahombiazana amin’ny zavatra nataony, 
dia marobe ny olana niseho teo anoloany. 
Tsy nilavo lefona izy nefa tamin’izany 
Nianjera impiry fa tafarina eny ihany.  

Tsarovy fa voafetra ny andro sy ny taona
Koa aoka tsy ho zatra mandany ny fotoana, 
amin’ny resaka miiba sy menomenon-dava. 
F’izany mihitsy mantsy no isan’ny mandrava
ny fikasana miabo sy fisainana ambony
Mahatonga ny olona tsy ho tafita intsony. 
Koa ndeha izato izy, herezo re ny dia
Aza kivikivy fa mijoroa sahia ! 

Rasamy

Laisser un commentaire