Ingahy Rasamy

Ingahy Rasamy

Any ianao r’ingahy Rasamy
Tsy miteny intsony fa efa vovon-tany
Manoratra aho satria mba mahatsiarotsiaro
Mitamberina an-tsaina ny zava-maromaro
Ingahy Rasamison mpiasabe tao amy gara
Tsy nigoka, tsy niloka, ary tsy nandray sigara
Tsy mba nahenoina tantara ihany koa
Fa lehilahy matotra sady tokam-po
Mba firifiry moa no lehilahy toy izany
Hafa mihitsy mantsy ianao r’ingahy Rasamy 
Ianao ilay masiaka tsy nitsahatra niteny 
Tsaroana ho nahasoa ireny rehetra ireny
Mandeha tokoa r’ingahy, ny ora sy fotoana 
Dimy amby sivifolo izao ny tsingerin-taona
Izaho akory tsy hoe malahelo mitomany
Mahatsiaro fotsiny fa fetinao androany
Tsaroana ianao  satria tena namela mamy 
Inoako f’efa sambatra any an-danitra any

Rasamy 

Laisser un commentaire