Tsia

Tsia

Nahoana moa ny gasy no zary tsy mba sahy
Fa misalasala sy manana ahiahy
Rehefa indraindray tokony handà
Ny baiko sy ny tsindry ataon’ny vazaha? 

Na aza « tsia » tsotra izao no tena ao an-doha
Dia ny « oui mesie »  no lasa mialoha 
Matahotra hitsipaka ny tenin’ny vahiny
Sadaikatra hamaly ndrao hahazo tsiny 

Dia toy izany koa na dia samy malagasy 
Na olon-dehibe io na tanora an-dakilasy
Na ny tsy mahay na ny misy fahalalàna 
Tsy sahy manao tsia fa eny koa mazàna 

Miholakolaka eo dia mihodikodin-teny
Toa tsy te hanaiky nefa latsa-bava « eny » 
Hany ka mandainga mihatsara ivelatsihy
Menatra hiteny sy hanao hoe « tsia » 

Rasamy

Laisser un commentaire